2 Kings 24:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha nankany amin’ny mpanjakan’i Babilona i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, dia izy sy ny reniny, ny mpanompony, ny mpanapaka ary ny tandapany. Noentin’ny mpanjakan’i Babilona izy tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna i Joasina, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny, ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonòkany, dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Jôiakina mpanjakan’i Joda sy ny reniny mbamin’ny manamboninahiny sy ny filohan-bahoakany ary ny tandapany. Dia nogadrain’ny mpanjakan’i Babilôna ireo tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
Malagasy Bible 1865
Ary Joiakina, mpanjakan'ny Joda, nivoaka nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny tandapany; ary nentin'ny mpanjakan'i Babylona izy tamin'ny taona fahavalo nanjakany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha nankany amin’ny mpanjakan’i Babilona i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, dia izy sy ny reniny, ny mpanompony, ny mpanapaka ary ny tandapany. Noentin’ny mpanjakan’i Babilona izy tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
malagasy
Ary Joiakina, mpanjakan'ny Joda, nivoaka nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny tandapany;[Heb. ionoka] ary nentin'ny mpanjakan'i Babylona izy tamin'ny taona fahavalo nanjakany.