2 Kings 24:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary navoakan’i Nebokadnezara ny harena rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny harena tao amin’ny tranon’ny mpanjaka dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’i Solomona, mpanjakan’ny Israely, tao amin’ny tempolin’NY TOMPO, araka izay nolazain’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nongoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao an-tranon’i Iaveh sy tao an-tranon’ny mpanjaka, ary novakina daholo ny fanaka volamena nataon’i Salômôna, mpanjakan’i Israely, tao an-tranon’i Iaveh, araka izay efa voalazan’i Iaveh rahateo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa araka ny efa nambaran’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ny zava-tsarobidy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ary novakiny avokoa ny fanaka rehetra volamena izay nataon’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tempolin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary navoakan'i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, tao amin'ny tempolin'i Jehovah, araka izay nolazain'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary navoakan’i Nebokadnezara ny harena rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny harena tao amin’ny tranon’ny mpanjaka dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’i Solomona, mpanjakan’ny Israely, tao amin’ny tempolin’NY TOMPO, araka izay nolazain’NY TOMPO.
malagasy