2 Kings 24:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny manamboninahitra rehetra ary ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina mbamin’ny mpahay taozavatra rehetra sy ny mpanefy, tsy nisy izay navelany afa-tsy ny madinika teo amin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentina ho babo avokoa i Jerosalema manontolo, ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin’ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy; ny olo-mahantra tao amin’ny tany ihany no sisa tafajanona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataony sesitany i Jerosalema iray manontolo, dia ny filoham-bahoaka rehetra sy ny mpanankarena rehetra, izany hoe voasesitany miisa 10 000 ankoatra ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy; ireo vahoaka madinika sy mahantra no sisa navelany.
Malagasy Bible 1865
Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin'ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny manamboninahitra rehetra ary ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina mbamin’ny mpahay taozavatra rehetra sy ny mpanefy, tsy nisy izay navelany afa-tsy ny madinika teo amin’ny tany.
malagasy