2 Kings 24:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lehilahy mahery rehetra, fito arivo, mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia noentin’ny mpanjakan’i Babilona ho babo tany Babilona avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fanampin’izany koa ny lehilahy mahery rehetra nisy fito arivo, mbamin’ny mpanao taozavatra sy mpanefy vy arivo lahy, samy lehilahy mahery sy mahay miady, dia nentin’ny mpanjakan’i Babilôna ho babo any Babilôna daholo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nentiny nankany Babilôna avokoa ny mpanankarena rehetra miisa fito arivo lahy, mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy miisa arivo lahy, ary ny miaramila rehetra afaka miantafika.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lehilahy mahery rehetra, fito arivo, mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia noentin’ny mpanjakan’i Babilona ho babo tany Babilona avokoa.
malagasy
Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.