2 Kings 24:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iraika amby roapolo taona i Zedekia raha nanomboka nanjaka, ary iraika amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Hamotala, zanakavavin’i Jeremia, avy any Libna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
21 taona i Sedesiasa fony vao nanjaka, ary nanjaka 11 taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy ao Lobnà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin’i Jeremià avy any Libnà.
Malagasy Bible 1865
Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iraika amby roapolo taona i Zedekia raha nanomboka nanjaka, ary iraika amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Hamotala, zanakavavin’i Jeremia, avy any Libna.
malagasy
[Ny nanjakan'i Zedekia, sy ny nandravana an'i Jerosalema, ary ny toetry ny olona sisa sy Joiakina] Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.