2 Kings 24:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nandefa ny miaramilan’ny Kaldeana, ny miaramilan’ny Arameana, ny miaramilan’i Moaba ary ny miaramilan’ny taranak’i Amona hiady aminy; nampandehaniny hiady amin’i Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalefan’i Iaveh hamely an’i Jôakima ny antoko-miaramila Kaldeanina, ny antoko-miaramila Sirianina, ny antoko-miaramila Moabita, ary ny antoko-miaramila Amônita, ka ny nandefasany an’ireo hamely an’i Jodà, dia ny mba handravany azy, araka ny tenin’i Iaveh izay notononiny tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay i Jôiakima dia nandefasan’ny TOMPO andian-dahalo babilônianina sy andian-dahalo sirianina ary andian-dahalo môabita sy hamônita hamely ny tanin’i Joda ka nandrava azy araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminany.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana sy ny miaramilan'i Moaba ary ny miaramilan'ny taranak'i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin'ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO nandefa ny miaramilan’ny Kaldeana, ny miaramilan’ny Arameana, ny miaramilan’i Moaba ary ny miaramilan’ny taranak’i Amona hiady aminy; nampandehaniny hiady amin’i Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
malagasy