2 Kings 24:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Araka ny tenin’NY TOMPO ihany no nahatongavan’izany tamin’i Joda ka nanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’i Manase, noho izay rehetra nataony
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lahatr’i Iaveh tokana ihany no nahatongavan’izany tamin’i Jodà mba hanesorany azy tsy ho eo anatrehan’ny Tavany, noho ny fahotana rehetra nataon’i Manase,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Baikon’ny TOMPO mihitsy no nahatonga ireny loza ireny tamin’ny fanjakan’i Joda mba hanesorany azy tsy ho hitan’ny masony noho ny fahotana rehetra nataon’i Manase mpanjaka,
Malagasy Bible 1865
Dia araka ny tenin'i Jehovah ihany no nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Araka ny tenin’NY TOMPO ihany no nahatongavan’izany tamin’i Joda ka nanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’i Manase, noho izay rehetra nataony
malagasy
Dia araka ny tenin'i Jehovah ihany no nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony