2 Kings 25:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia dia tonga i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema ka nitoby tandrifiny; ary nanangana tovon-tany manodidina azy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana fahafolo, andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny rehetra; dia niorin-dasy teo anoloany izy, ary nanao manda fanantomorana manodidina azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanàna ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an’i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan’i Tsedekià tamin’izay, ary andro fahafolon’ny volana fahafolo.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia dia tonga i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema ka nitoby tandrifiny; ary nanangana tovon-tany manodidina azy izy.
malagasy