2 Kings 25:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo andry varahina tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny fitoeran’ny koveta ary ny koveta varahina lehibe izay tao amin’ny tranon’NY TOMPO dia notorotoroin’ny Kaldeana ka noentiny ho any Babilona ny varahina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nopotehin’ny Kaldeanina ny andry varahina izay tao an-tranon’i Iaveh, mbamin’ny fanambanim-pitoeran-drano ary ny ranomasina varahina izay tao an-tranon’i Iaveh, ka nentiny ho any Babilôna ny varahina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nopotehin’ny Babilônianina ireo andry halimo tao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ireo kalesy ary ilay fitobian-drano halimo goavana teo an-kianja; dia nentiny nankany Babilôna avokoa ny halimo tamin’izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo andry varahina teo an-tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon'i Jehovah dia notorotoroin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo andry varahina tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny fitoeran’ny koveta ary ny koveta varahina lehibe izay tao amin’ny tranon’NY TOMPO dia notorotoroin’ny Kaldeana ka noentiny ho any Babilona ny varahina.
malagasy
Ary ireo andry varahina teo an-tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon'i Jehovah dia notorotoroin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.[Heb. ny ranomasina]