2 Kings 25:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny andry roa sy ny koveta lehibe iray ary ireo fitoeran’ny koveta izay nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO, ny varahina tamin’izany fanaka rehetra izany dia tsy hita pesipesenina ny lanjany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amin’ny andry roa sy ny ranomasina, ary ny fanambanim-pitoeran-drano nataon’i Salômôna tao amin’ny tranon’i Iaveh, dia tsy nisy fotony intsony ny handanjana ny varahina amin’ireo fanaka rehetra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hita lanja ny halimo tamin’ireo fanaka rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia ireo andry anankiroa sy ilay fitobian-drano goavana ary ireo kalesy.
Malagasy Bible 1865
ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny andry roa sy ny koveta lehibe iray ary ireo fitoeran’ny koveta izay nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO, ny varahina tamin’izany fanaka rehetra izany dia tsy hita pesipesenina ny lanjany.
malagasy
ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.