2 Kings 25:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Valo amby folo hakiho ny haavon’ny andry iray, ary varahina ny lohany sady telo hakiho ny haavony; varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin’ny lohany manodidina; tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin’ny harato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny andry iray dia 18 hakiho ny haavony, ary teo amboniny dia nisy koronosy varahina, ary telo hakiho ny haavon’ny koronosy, ary nisy harato sy voan’ampongabendanitra nanodidina ny koronosy, ka varahina avokoa izany rehetra izany; torak’izany koa ny andry faharoa mbamin’ny harato aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary misy lohany halimo izay mahatratra iray metatra sy sasany ny haavony sady voaravaka harato sy ampongabendanitra halimo ny manodidina azy. Mitovy ireo andry roa sy ny ravaka natao taminy.
Malagasy Bible 1865
Valo ambin'ny folo hakiho ny hahavon'ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin'ny kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin'ny harato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Valo amby folo hakiho* ny haavon’ny andry iray, ary varahina ny lohany sady telo hakiho ny haavony; varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin’ny lohany manodidina; tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin’ny harato.
malagasy
Valo ambin'ny folo hakiho ny hahavon'ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin'ny kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin'ny harato.