2 Kings 25:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa iray, mpifehy ny miaramila dimy lahy tamin’izay mpitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpitantsoratry ny mpitarika ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy enimpolo lahy avy amin’ny vahoaka, izay hitany tao an-tanàna;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Azony tao an-tanàna ny manamboninahitra anankiray mpifehy ny lehilahy mpiady, ny olona dimy lahy isan’ny mpanolo-tsaina manoloana ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ny mpanoratry ny filohan’ny tafika, miadidy ny fandatsahana ny olona amin’ny tany ho miaramila, ary 60 lahy amin’ny vahoakan’ny tany, izay hita tao an-tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nosamboriny koa ny mpiasam-panjakana mpiandraikitra ny miaramila sy ny olona dimy lahy mpanolotsainan’ny mpanjaka, sy ny mpitantsoratr’ilay manamboninahitra misahana ny fiantsoana ho miaramila, ary ny teratany jodeanina miisa enimpolo lahy; fa samy hitany tao Jerosalema avokoa ireo.
Malagasy Bible 1865
ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy tamin'izay mpitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy, izay hitany tao an-tanàna;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa iray, mpifehy ny miaramila dimy lahy tamin’izay mpitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpitantsoratry ny mpitarika ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy enimpolo lahy avy amin’ny vahoaka, izay hitany tao an-tanàna;
malagasy