2 Kings 25:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ren’ny mpitari-tafika rehetra mbamin’ny olom-peheziny avy fa i Gedalia no notendren’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ho mpanapaka, dia nandeha nankany amin’i Gedalia tany Mizpa izy ireo, dia: Ismaela, zanak’i Netania, i Johanana, zanak’i Karea, i Seraia, zanak’i Tanometa netofatita, ary i Jazania, zanak’ilay Makatita, dia ireo mbamin’ny olom-peheziny avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’ny lehiben’ny isan-toko-miaramila, dia izy sy ny olom-peheziny avy, fa hoe i Godoliasa no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka, dia tonga nanatona an’i Godoliasa tany Masfà izy ireo: i Ismaela zanak’i Nataniasa; i Johanàna, zanak’i Karea; i Saraiasa zanak’i Tanehometa avy ao Netôfa, ary i Jezoniasa zanak’ilay Maakatianina, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa fantatry ny manamboninahitra sy ny miaramila jodeanina izay tsy nitolo-batana tamin’ny Babilônianina izany fanapahan-kevitr’i Nebokadnetsara izany, dia nankany amin’i Gedalià tany Mitsepà izy. Ireo manamboninahitra ireo dia i Jismahela zanakalahin’i Netanià, i Jôhanàna zanakalahin’i Karea, i Seraià zanakalahin’i Tanehometa avy any Netôfà, ary i Jaazanià avy any Mahekà.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ren'ny komandin'ny miaramila rehetra mbamin'ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany amin'i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ren’ny mpitari-tafika rehetra mbamin’ny olom-peheziny avy fa i Gedalia no notendren’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ho mpanapaka, dia nandeha nankany amin’i Gedalia tany Mizpa izy ireo, dia: Ismaela, zanak’i Netania, i Johanana, zanak’i Karea, i Seraia, zanak’i Tanometa netofatita, ary i Jazania, zanak’ilay Makatita, dia ireo mbamin’ny olom-peheziny avy.
malagasy