2 Kings 25:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nianiana taminy sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalia hoe: Aza matahotra ny amin’ny mpanompon’ny Kaldeana, fa mitomoera amin’ny tany, ary manompoa ny mpanjakan’i Babilona, fa izany no hahasoa anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka tamim-pianianana no nilazan’i Godoliasa tamin’izy ireo sy tamin’ireo olom-peheziny hoe: «Aza misy atahoranareo akory raha ny amin’ny mpanompon’ny Kaldeanina, fa monena amin’ny tany, manompoa ny mpanjakan’i Babilôna, fa izany no hanasoa anareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanizingizina tamin’ireo sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalià nanao hoe: –Aza matahotra ho anisan’ny mpanompon’ny Babilônianina ianareo; monena amin’ny tany ary maneke ny mpanjakan’i Babilôna, fa hahasoa anareo izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Gedalia nianiana taminy sy tamin'ny olom-peheziny ka nanao hoe: Aza matahotra ny amin'ny mpanompon'ny Kaldeana, fa mitomoera amin'ny tany, ary manompoa ny mpanjakan'i Babylona, fa izany no hahasoa anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nianiana taminy sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalia hoe: Aza matahotra ny amin’ny mpanompon’ny Kaldeana, fa mitomoera amin’ny tany, ary manompoa ny mpanjakan’i Babilona, fa izany no hahasoa anareo.
malagasy