2 Kings 25:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa amby folo tamin’ny taona fahafito amby telopolo taorianan’ny namaboana an’i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, dia nasandratr’i Evila-Merodaka hiala tao an-tranomaizina i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona voalohany nanjakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-31 nahalasan-ko babo an’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny volana faha-12, andro faha-27n’ny volana, dia nasandratr’i Evil-Merôdàka, mpanjakan’i Babilôna, ny lohan’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, ka nesoriny tao an-tranomaizina tamin’ny taona nahatongavany ho mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna; koa tamin’ny volana faha-12, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa amby folo tamin’ny taona fahafito amby telopolo taorianan’ny namaboana an’i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, dia nasandratr’i Evila-Merodaka hiala tao an-tranomaizina i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona voalohany nanjakany.
malagasy
Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb. nasandratra ny lohany]