2 Kings 25:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nasainy novana ny fitafiana naha mpifatotra azy dia nisakafo teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ny andro rehetra niainany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nasainy nosoloina ny fitafiany tany an-tranomaizina, ary nihinan-kanina mandrakariva teo anatrehany izy, tamin’ny andro niainany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy navela hanao ny fitafian’ny mpigadra intsony izy, ary niara-nisakafo tamin’ny mpanjakan’i Babilôna nandritra ny andro sisa rehetra niainany.
Malagasy Bible 1865
Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nasainy novana ny fitafiana naha mpifatotra azy dia nisakafo teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ny andro rehetra niainany.
malagasy
Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany.