2 Kings 25:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy voabanga ny tanàna ka nandositra alina ny miaramila rehetra tamin’ny lalana nankany amin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, izay eo anilan’ny sahan’ny mpanjaka, fa ny Kaldeana dia nanodidina ny tanàna. Ary nandeha tamin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nobangaina ny tanàna, dia lasa nandositra avokoa ny lehilahy mpiady, nihazo ny lalan’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ny Kaldeanina amin’izany manodidina ny tanàna eo. Ny lalana mankamin’ny Arabah no nalehan’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ireo miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ireo ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna i Tsedekià mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin'ny lalana nankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy voabanga ny tanàna ka nandositra alina ny miaramila rehetra tamin’ny lalana nankany amin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, izay eo anilan’ny sahan’ny mpanjaka, fa ny Kaldeana dia nanodidina ny tanàna. Ary nandeha tamin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana ny mpanjaka.
malagasy
Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin'ny lalana nankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay.[Heb. Arabà]