2 Kings 25:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoiny teo imason’ny rainy, ny mason’i Zedekia kosa nopotsiriny ary nafatony tamin’ny gadra varahina izy ka noentiny nankany Babilona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zanaka lahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy. Raha efa izany dia nopotsirin’i Nabokodonozora ny mason’i Sedesiasa ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin’i Tsedekià. Avy teo dia nasain’i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason’i Tsedekià; ary nasainy nafatotra gadra halimo izy ka nentina nankany Babilôna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason'i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoiny teo imason’ny rainy, ny mason’i Zedekia kosa nopotsiriny ary nafatony tamin’ny gadra varahina izy ka noentiny nankany Babilona.
malagasy
Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason'i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.