2 Kings 3:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Jehorama, zanak’i Ahaba, dia nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria tamin’ny fahavalo amby folo taona nanjakan’i Josafata, mpanjakan’ny Joda; ary nanjaka nandritra ny roa amby folo taona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folon’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jôrama zanak’i Akaba, ary roa ambin’ny folo taona no nanjakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga mpanjakan’i Israely i Jôrama zanakalahin’i Ahaba tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jôsafata mpanjakan’i Joda; ary naharitra 12 taona no nanjakany tao Samaria.
Malagasy Bible 1865
Ary Jorama, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka roa ambin'ny folo taona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Jehorama, zanak’i Ahaba, dia nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria tamin’ny fahavalo amby folo taona nanjakan’i Josafata, mpanjakan’ny Joda; ary nanjaka nandritra ny roa amby folo taona izy.
malagasy
[Ny nikambanan'i Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, hiady tamin'ny Moabita] Ary Jorama, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka roa ambin'ny folo taona izy.