2 Kings 3:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Josafata: Tsy misy mpaminanin’NY TOMPO va eto mba hanontaniantsika amin’NY TOMPO? Dia nisy iray tamin’ny mpanompon’ny mpanjakan’ny Israely namaly hoe: Ato ihany i Elisa, zanak’i Safata, ilay mpanondraka rano ny tanan’i Elia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy kosa i Jôsafata: «Tsy misy mpaminanin’i Iaveh va eto, azontsika anontaniana amin’i Iaveh?» Dia namaly ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Israely nanao hoe: «Eto ihany i Elisea zanak’i Safata ilay nampidina rano tamin’ny tanan’i Elia.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy kosa i Jôsafata: –Moa tsy misy mpaminani n’ny TOMPO va eto mba hanontaniantsika ny TOMPO? Ary nisy manamboninahitry ny mpanjakan’i Israely namaly hoe: –Miaraka amintsika ao i Elisà zanakalahin’i Safata sady mpiara-niasa akaiky tamin’i Elià mpaminany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin'i Jehovah va eto hanontaniantsika amin'i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak'i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan'i Elia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Josafata: Tsy misy mpaminanin’NY TOMPO va eto mba hanontaniantsika amin’NY TOMPO? Dia nisy iray tamin’ny mpanompon’ny mpanjakan’ny Israely namaly hoe: Ato ihany i Elisa, zanak’i Safata, ilay mpanondraka rano ny tanan’i Elia.
malagasy