2 Kings 3:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Elisa: Raha velona koa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay tompoiko, raha tsy noho ny fanajako an’i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Elisea: «Velona i Iavehn’ny tafika izay itsanganako eto anatrehany, fa raha tsy ny fanajako an’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, dia tsy nasiako raharaha akory ianao, na nojereko akory aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray i Elisà: –Velona ny TOMPOn’izao rehetra izao sady tompoiko, ka manizingizina aho fa ny fanajàko an’i Jôsafata mpanjakan’i Joda ihany no anatrehako anao sy ijereko anao.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Elisa: Raha velona koa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay tompoiko, raha tsy noho ny fanajako an’i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
malagasy
Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.