2 Kings 3:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO koa izy, nefa tsy dia tahaka ny rainy kosa na tahaka ny reniny. Nanaisotra ilay tsangambaton’ny Baala izay nataon’ny rainy izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy aman-dreniny tsy akory, satria nesoriny ilay tsangam-baton’i Baala nataon-drainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy; ka nifikirany fa tsy nialany akory ny fahotana izay nampanaovin’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ny Israelita. Kanefa tsy dia ratsy tahaka an-drainy sy reniny izy, satria nanaisotra ny tsangambato izay nataon-drainy hanajana an’i Bahala.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton'i Bala izay nataon'drainy izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO koa izy, nefa tsy dia tahaka ny rainy kosa na tahaka ny reniny. Nanaisotra ilay tsangambaton’ny Baala* izay nataon’ny rainy izy;
malagasy
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton'i Bala izay nataon'drainy izy;