2 Kings 3:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin’ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra. Nony farany, tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-Haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin’ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noravany ny tanànany, samy nanipy vato iray tamin’ny tanimboly soa rehetra dia nataony tototra; notampenany ny loharano rehetra; nokapainy ny hazo mamoa rehetra, ary tsy nisy tavela na inona na inona tao Kir-Karoseta afa-tsy ny vato, fa voahodidin’ny mpandefa antsamotady sy nasiany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noravany ny tanàna ary samy nanipazany vato avokoa ny saha voavoly rehetra mandra-pahatototra azy, notampenany ny loharano rehetra ary nokapainy ny hazo fihinam-boa rehetra. Ny tanànan’i Kira-Harôseta no sisa tsy rava, nefa na io aza dia nohodidinin’ny mpandefa antsamotady ka notafihiny ihany koa.
Malagasy Bible 1865
Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin'ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin'ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin’ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra. Nony farany, tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-Haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin’ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
malagasy