2 Kings 3:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’ny mpanjakan’i Moaba fa tsy tohany ny ady dia nitondra fitonjato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanavatsava hatrany amin’ny mpanjakan’i Edoma, nefa tsy afaka izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’ny mpanjakan’i Moaba fa tsy tantiny ny ady, dia naka fiton-jato lahy mitan-tsabatra voatsoaka homba azy izy hanavatsava hatrany amin’ny mpanjakan’i Edôma, nefa tsy afa-nanao izany izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa hitan’ny mpanjakan’i Môaba fa tsy hahatohitra ny fanafihana izy, dia namory miaramila fitonjato lahy mpitan-tsabatra hiaraka aminy mba hanavatsava hankany amin’ny mpanjakan’i Siria, nefa tsy nahomby.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin'ny mpanjakan'i Edoma; nefa tsy afaka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’ny mpanjakan’i Moaba fa tsy tohany ny ady dia nitondra fitonjato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanavatsava hatrany amin’ny mpanjakan’i Edoma, nefa tsy afaka izy ireo.
malagasy
Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin'ny mpanjakan'i Edoma; nefa tsy afaka izy.Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda. Dia niharan'ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin'ny taniny izy.