2 Kings 3:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandeha izy, dia nandefa iraka ho any amin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda hilaza hoe: Nikomy tamiko ny mpanjakan’i Moaba. Koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Hoy i Josafata: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, koa ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niainga nandeha izy, ka nampilaza tamin’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà hoe: «Niodina tamiko ny mpanjakan’i Moaba ka mba hiaraka amiko hiady amin’i Moaba va ianao?» Ary hoy ny navalin’i Jôsafata: «Eny handeha aho, fa ny tenako dia toy ny tenanao ihany, ny oloko dia toy ny olonao, ny soavaliko toy ny soavalinao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandefa iraka hilaza amin’i Jôsafata mpanjakan’i Joda izy nanao hoe: «Nikomy tamiko ny mpanjakan’i Môaba; koa hiaraka amiko hanafika ny taniny ve ianao?» Ary hoy ny navaliny: «Eny, ho avy aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao ary ny soavaliko dia soavalinao.»
Malagasy Bible 1865
Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan'i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandeha izy, dia nandefa iraka ho any amin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda hilaza hoe: Nikomy tamiko ny mpanjakan’i Moaba. Koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Hoy i Josafata: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, koa ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
malagasy