2 Kings 4:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy vehivavy iray, vadin’ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’i Elisa hoe: Maty ny vadiko izay mpanomponao; ary ianao dia mahafantatra fa natahotra NY TOMPO ny mpanomponao; nefa tonga ny tompon-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy vehivavy anankiray vadin’ny iray amin’ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’i Elisea, nanao hoe: «Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa natahotra an’i Iaveh ny mpanomponao ary tonga haka ny zanako roa ho andevony ny tompon-trosa izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia nisy vehivavy vadina lehilahy anisan’ny andia- mpaminany, tonga nitaraina tamin’i Elisà nanao hoe: –Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa nanaja ny TOMPO izy. Tonga ao anefa ny tompon-trosa haka ny zanako roa lahy mba handevoziny.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy vehivavy anankiray, vadin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an'i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy vehivavy iray, vadin’ny zanaky ny mpaminany*, nitaraina tamin’i Elisa hoe: Maty ny vadiko izay mpanomponao; ary ianao dia mahafantatra fa natahotra NY TOMPO ny mpanomponao; nefa tonga ny tompon-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony.
malagasy
[Ny nampitomboan'i Elisa ny diloilon'ilay vehivavy maty vady] Ary nisy vehivavy anankiray, vadin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an'i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony