2 Kings 4:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miangavy anao aho, andeha isika hanao efitrano kely ambony rihana; hasiantsika fandriana sy latabatra ary seza sy fitoeran-jiro ho azy ao, koa rehefa tonga eto amintsika izy dia ao no hipetraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka handeha isika hanao efitrano kely avo manolotra ny rindrina, ho azy, dia hasiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy, mba hihatahany isaky ny tonga amintsika izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tokony hanaovantsika efitrano kely ao ambony tafo marin-tampona ao ka hasiantsika farafara sy latabatra sy seza ary fitoeran-jiro ho azy. Ao no hipetrahany isaky ny mandalo eto amintsika.
Malagasy Bible 1865
Masìna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miangavy anao aho, andeha isika hanao efitrano kely ambony rihana; hasiantsika fandriana sy latabatra ary seza sy fitoeran-jiro ho azy ao, koa rehefa tonga eto amintsika izy dia ao no hipetraka.
malagasy
Masìna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.