2 Kings 4:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Elisa tamin’i Gehazy: Mba lazao amin-dRavehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin’izao fikarakarana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin’ny mpanjaka va ianao, na amin’ny lehiben’ny miaramila? Dia namaly Ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin’ny fireneko aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Elisea tamin’i Giezỳ: «Lazao azy kely izao: Indro nikarakara anay tamin’izao zavatra rehetra izao ianao, ka inona kosa no mety hatao ho anao? Tianao va ny hiresahako amin’ny mpanjaka na amin’ny filohan’ny tafika mba ho anao?» Dia hoy ny navalin-dravehivavy: «Efa monina eto amin’ny fireneko aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary niangavian’i Elisà i Gehazỳ hilaza aminy hoe: –Efa nisahirana betsaka taminay ianao; koa inona kosa no hataonay ho anao? Tianao ve ny hiresahanay anao amin’ny mpanjaka na amin’ny filohan-tafika? Dia hoy ny navaliny: –Tsia! Fa eto anivon’ny mpiray foko amiko aho, ka monina feizay.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Elisa tamin'i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin'izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin'ny mpanjaka va ianao, na amin'ny komandin'ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin'ny fireneko aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Elisa tamin’i Gehazy: Mba lazao amin-dRavehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin’izao fikarakarana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin’ny mpanjaka va ianao, na amin’ny lehiben’ny miaramila? Dia namaly Ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin’ny fireneko aho.
malagasy