2 Kings 4:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy: Amin’ny fotoana toy izao, amin’ny herintaona, dia hitrotro zazalahy ianao. Nefa hoy Ravehivavy: Tsia, tompokolahy, lehilahin’Andriamanitra! Aza mandainga amin’ny mpanompovavinao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hoy i Elisea taminy: «Raha afaka herintaona amin’izao fotoana izao dia hisafosafo zazalahy ianao.» Fa hoy izy: «Tsia, aza dia laingainao ny ankizivavinao, ry olon’Andriamanitra tompoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nilazan’i Elisà hoe: –Amin’ny herintaona tahaka izao dia hitrotro zazalahy ianao. Fa hoy kosa ravehivavy: –Tsia, tompoko ô! Olon’Andriamanitra ianao ka aza mandainga amiko!
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy: Amin’ny fotoana toy izao, amin’ny herintaona, dia hitrotro zazalahy ianao. Nefa hoy Ravehivavy: Tsia, tompokolahy, lehilahin’Andriamanitra! Aza mandainga amin’ny mpanompovavinao!
malagasy
Dia hoy izy: Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao.