2 Kings 4:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa Ravehivavy nankany amin’ny lehilahin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan’ilay lehilahin’Andriamanitra avy izy dia hoy izy tamin’i Gehazy zatovony: Ilay vehivavy sonemita irỳ!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia lasa izy, nankany amin’ilay olon’Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Vao nahatazana azy teny lavidavitra teny ity olon’Andriamanitra dia nanao tamin’i Giezỳ mpanompony hoe: «Indry ilay vehivavy Sonamita,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary lasa ravehivavy nankany amin’ilay olon’Andriamanitra any an-tendrombohitra Karmela. Raha vao tazan’ilay olon’Andriamanitra avy lavitra ravehivavy, dia hoy i Elisà tamin’i Gehazỳ mpanompony: –Jereo fa ilay vehivavy sonemita iry.
Malagasy Bible 1865
Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa Ravehivavy nankany amin’ny lehilahin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan’ilay lehilahin’Andriamanitra avy izy dia hoy izy tamin’i Gehazy zatovony: Ilay vehivavy sonemita irỳ!
malagasy