2 Kings 4:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa tonga tany amin’ny lehilahin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy dia nandray ny tongony; nefa nanatona hanosika azy hiala teo i Gehazy. Hoy anefa ny lehilahin’Andriamanitra: Avelao ihany izy fa ory ny fanahiny ao anatiny; NY TOMPO nanafina izany tamiko fa tsy nanambara tamiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony vao tonga tany amin’ity olon’Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia namihina ny tongony. Nanatona hanifika azy i Giezỳ, fa hoy ny olon’Andriamanitra: «Avelao izy, fa difotr’alahelo ny fony, ary nafenin’i Iaveh tamiko izany, fa tsy nampahalalainy ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga teo akaikin’i Elisà teo an-tendrombohitra anefa izy, dia niantoraka teo an-tongony; nanatona hampiala azy i Gehazỳ, saingy nitenenan’i Elisà hoe: –Aoka ihany izy, fa vonton’alahelo; ary nafenin’ny TOMPO ahy ny anton’izany fa tsy nampahafantariny ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga tany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa tonga tany amin’ny lehilahin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy dia nandray ny tongony; nefa nanatona hanosika azy hiala teo i Gehazy. Hoy anefa ny lehilahin’Andriamanitra: Avelao ihany izy fa ory ny fanahiny ao anatiny; NY TOMPO nanafina izany tamiko fa tsy nanambara tamiko.
malagasy