2 Kings 4:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Elisa tamin’i Gehazy: Misikìna, ary ento eny an-tananao ny tehiko ka mandehana. Raha mifanena amin’olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Elisea tamin’i Giezi: «Misikìna ianao, ento eny an-tananao ny tehiko, dia mandehana. Ka raha mifanena amin’olona aza miarahaba azy; raha arahabain’olona aza mamaly azy. Dia apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Elisà tamin’i Gehazỳ: –Mivonòna ianao handeha! Raiso ny tehiko maha mpaminany ahy, dia mankanesa any Sonema. Raha mifanena amin’olona ianao eny an-dalana, dia aza mijanona hiarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, dia aza mamaly akory. Rehefa mby any ianao, dia atehefo eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Elisa tamin’i Gehazy: Misikìna, ary ento eny an-tananao ny tehiko ka mandehana. Raha mifanena amin’olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.
malagasy