2 Kings 4:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nialoha azy i Gehazy ka nametraka ny tehina teo amin’ny tavan’ny zaza, nefa tsy nisy feo na fihetsehana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zaza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nialoha azy ireo i Giezi nametraka ny tehina tamin’ny tavan’ilay zaza nefa tsy nisy feo na famantaran’ny naharenesany. Ka niverina hitsena an’i Elisea izy, nilaza izany taminy, nanao hoe: «Tsy nahatsiaro akory ny zaza.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa tonga talohany kosa i Gehazỳ ka nametraka ny tehin’i Elisà teo amin’ny tavan’ny zaza, nefa tsy nisy feo na koa fihetsehana. Dia niverina tany amin’ny mpaminany izy ka tojo azy ary nilaza taminy hoe: –Tsy nahatsiaro akory ny zaza.
Malagasy Bible 1865
Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nialoha azy i Gehazy ka nametraka ny tehina teo amin’ny tavan’ny zaza, nefa tsy nisy feo na fihetsehana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zaza.
malagasy