2 Kings 4:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra izy ka nandry niampatra teo ambonin’ilay zaza, ary ny vavany dia nataony tamin’ny vavany, ny masony tamin’ny masony, ary ny tanany dia tamin’ny tanany; dia niondrika teo amboniny izy ka niha nafana ny tenan’ilay zaza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niakatra nandry teo ambonin’ilay zaza i Elisea: ny vavany nataony tamin’ny vavany, ny masony nataony tamin’ny masony, ny tanany nataony tamin’ny tanany, ny tenany niampatra teo amboniny, ka nihanafana ny tenan’ny zaza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandry teo ambonin’ny zaza izy ka vava tandrifin’ny vavany sy maso tandrifin’ny masony ary tanana tandrifin’ny tanany. Koa raha mbola nijanona teo amboniny izy dia nihanafana ny tenan’ilay zaza.
Malagasy Bible 1865
Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.