2 Kings 4:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niverina nankany Gilgala i Elisa; ary nisy mosary tamin’ny tany; ary raha nipetraka teo anatrehany ny zanaky ny mpaminany dia hoy izy tamin’ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe ary mahandroa hanina ho an’ny zanaky ny mpaminany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niverina nankany Galgalà i Elisea, ary nisy mosary tamin’ny tany. Nipetraka teo anatrehany ny zanaky ny mpaminany tamin’izany, ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, dia mahandroa ro ho an’ny zanaky ny mpaminany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niverina nankany Gilgala i Elisà. Nanjakan’ny mosary ny tany tamin’izay ka novoriny teo anatrehany ny andia-mpaminany; sady hoy izy tamin’ny mpanompony: –Ataingeno eo ambony fatana ny vilany lehibe ary manaova lasopy ho an’ny andia- mpaminany.
Malagasy Bible 1865
Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niverina nankany Gilgala i Elisa; ary nisy mosary tamin’ny tany; ary raha nipetraka teo anatrehany ny zanaky ny mpaminany* dia hoy izy tamin’ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe ary mahandroa hanina ho an’ny zanaky ny mpaminany.
malagasy
[Ny nanatsaran'i Elisa ilay hanina saiky nahafaty, sy ny nampitomboany ny mofo roa-polo hahavoky ny olona zato lahy] Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.