2 Kings 4:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany an-tsaha ny iray hitsongo anana ka nahita voantango dia ary nanangona voany iray trotroana avy amin’io; nony tonga izy dia nosolatsolarany ka narotsany tao amin’ny vilany nisy ny nahandro, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny iray tamin’izy ireo kosa nivoaka hitsongo anana tany an-tsaha, ka nahita sarisarim-boaloboka maniry ho azy dia nioty voatavomontan’ala tamin’io izy nahafeno ny lambany. Nony tafaverina izy dia notetehiny madinika tao anaty vilany nisy ny hanina ireny, nefa tsy nahalala izany izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa hitsongo anana tany an-tsaha ny mpaminany iray, ka nahita zava-maniry mandadina niotazany voatangom-bazaha; dia nahangona iray trotroana tamin’izany izy. Ary nony tafaverina izy, dia notetehiny madinika ireo ka narotsany am-bilany fa tsy nisy nahafantatra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany an-tsaha ny iray hitsongo anana ka nahita voantango dia ary nanangona voany iray trotroana avy amin’io; nony tonga izy dia nosolatsolarany ka narotsany tao amin’ny vilany nisy ny nahandro, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
malagasy