2 Kings 4:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noloarany hohanin’ny olona io; nefa raha vao nihinana izy dia nitaraina hoe: Ry lehilahin’Andriamanitra ô! Misy fahafatesana ao am-bilany! Dia tsy azony nohanina izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nony noloarana hohanin’izy ireo izany, vao nihinana izy ireo, dia nikiakiaka nanao hoe: «Misy mahafaty ao am-bilany, ry olon’Andriamanitra ô!» ka tsy afa-nihinana izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa naroso anefa izany lasopy izany, ka samy nanandrana ny olona, dia nitaraina hoe: –Voapoizina ny lasopy, ry olon’Andriamanitra ô! Ary tsy azo nohanina tokoa izany.
Malagasy Bible 1865
Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noloarany hohanin’ny olona io; nefa raha vao nihinana izy dia nitaraina hoe: Ry lehilahin’Andriamanitra ô! Misy fahafatesana ao am-bilany! Dia tsy azony nohanina izany.
malagasy
Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.[Heb. fahafatesana]