2 Kings 4:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lehilahy avy tany Baala-Salisa nitondra mofo avy amin’ny voaloham-bokatra ho an’ny lehilahin’Andriamanitra, dia mofo varimbazaha roapolo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Hoy anefa i Elisa: Omeo ny olona ireny hohaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy lehilahy anankiray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin’ny santa-bary ho an’ity olon’Andriamanitra, dia mofo orja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasàkany; ka hoy i Elisea: «Omeo ny olona hohaniny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy lehilahy tonga avy any Bahala-Salisà izay nitondra mofo ôrza roapolo sy varim-bazaha iray kitapo santa-bokatra ho an’ity olon’Andriamanitra. Dia nilazan’i Elisà ny mpanompony mba hizara ireo hohanin’ny olona;
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lehilahy avy tany Baala-Salisa nitondra mofo avy amin’ny voaloham-bokatra ho an’ny lehilahin’Andriamanitra, dia mofo varimbazaha roapolo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Hoy anefa i Elisa: Omeo ny olona ireny hohaniny.
malagasy