2 Kings 4:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niala teo aminy Ravehivavy ka nirindrim-baravarana miaraka amin’izy mirahalahy zanany, ary nitondra ny vilany nankao aminy izy mirahalahy, fa ny reniny kosa dia nampidina ny diloilo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandao azy ravehivavy; ary nirindrina aman-trano tao izy sy ireo zanany, ka ireo zanany moa nitondra ny tavoara nankeo aminy, izy kosa nampidina ny diloilo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa ravehivavy nihidy aman-trano niaraka tamin’ny zanany; ary ireto zanany nanolotra ny tavoara, fa izy kosa nameno izany.
Malagasy Bible 1865
Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niala teo aminy Ravehivavy ka nirindrim-baravarana miaraka amin’izy mirahalahy zanany, ary nitondra ny vilany nankao aminy izy mirahalahy, fa ny reniny kosa dia nampidina ny diloilo.
malagasy
Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.