2 Kings 4:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia avy Ravehivavy ka nilaza tamin’ny lehilahin’Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo mba anefanao izay trosan’olona aminao ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa lasa nilaza izany tamin’ilay olon’Andriamanitra izy ary hoy izy: «Mandehana amidio ny diloilo hanefanao ny trosan’olona aminao, dia hivelomanao sy ny zanakao ny sisa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary lasa ravehivavy nitantara ny zava-nitranga tamin’ilay olon’Andriamanitra, izay nilaza taminy hoe: –Andeha amidio izany ilomanitra izany hanefanao ny trosan’olona; fa izay vola sisa kosa dia hivelomanao sy ireo zanakao.
Malagasy Bible 1865
Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia avy Ravehivavy ka nilaza tamin’ny lehilahin’Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo mba anefanao izay trosan’olona aminao ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
malagasy
Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.