2 Kings 4:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indray andro i Elisa dia nankany Sonema. Nisy vehivavy mpanankarena iray tao izay nanery azy hisakafo. Isaky ny mandalo izy dia nivily nankao aminy hisakafo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indray andro i Elisea nandalo tany Sonama. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo, ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisakafo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia nandalo tao Sonema i Elisà. Nisy vehivavy mpanankarena iray tao izay nanery azy mafy mba hisakafo ao aminy. Ary isaky ny mandalo eo izy, dia nivily ao aminy mba hisakafo.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indray andro i Elisa dia nankany Sonema. Nisy vehivavy mpanankarena iray tao izay nanery azy hisakafo. Isaky ny mandalo izy dia nivily nankao aminy hisakafo.
malagasy
[Ny amin'ilay vehivavy Sonemita sy ny zanany] Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.