2 Kings 5:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Namàna, komandin’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Arama, dia olona lehibe teo anatrehan’ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’NY TOMPO an’i Arama. Izany lehilahy mahery izany anefa dia boka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Naamàna, komandin’ny tafiky ny mpanjakan’i Siria dia lehilahy manam-pahefana sy tò teny eo amin’ny tompony, fa izy no namonjen’i Iaveh ny Sirianina; nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahamàna no anaran’ny filohan-tafiky ny mpanjakan’i Siria. Lehilahy mendri-kaja sy to teny teo anatrehan’ny tompony izy satria ny Sirianina efa nampandresen’ny TOMPO tamin’ny alalany. Marary hoditra anefa izany lehilahy maherifo izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Namàna, komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan'ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen'i Jehovah an'i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Namàna, komandin’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Arama, dia olona lehibe teo anatrehan’ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’NY TOMPO an’i Arama. Izany lehilahy mahery izany anefa dia boka.
malagasy
[Ny nanasitranana an'i Namàna, sy ny nampijaliana an'i Gehazy noho ny ratsy nataony] Ary Namàna, komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan'ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen'i Jehovah an'i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.