2 Kings 5:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tezitra i Namàna dia lasa nandeha sady niteny hoe: Indro, nataoko fa hanatona atỳ amiko tokoa izy ka hijoro sy hiantso ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny sady hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny aretina ka hanafaka ny habokana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tezitra i Naamàna, ka lasa niombotra nanao hoe: «Indro aho nanao anakam-po hoe: hivoaka hankatỳ amiko izy, ny tenany hiseho eo anatrehako hiantso ny anaran’i Iaveh Andriamaniny sy hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny fery, dia hahasitrana ilay boka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tezitra i Nahamàna, dia lasa sady nanao hoe: –Noheveriko fa mba hankatỳ amiko tokoa ilay mpaminany ka hivavaka amin’ny TOMPO Andriamaniny sy hanevaheva ny tanany eo amin’ny faritra marary ary hanasitrana ny aretin-koditro.
Malagasy Bible 1865
Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tezitra i Namàna dia lasa nandeha sady niteny hoe: Indro, nataoko fa hanatona atỳ amiko tokoa izy ka hijoro sy hiantso ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny sady hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny aretina ka hanafaka ny habokana.
malagasy