2 Kings 5:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy tsara noho ny ranon’ny Israely rehetra va i Abana sy i Farpara, onin’i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy tsara noho ny ranon’i Israely rehetra va i Abàna sy i Farfara onin’i Damasa? Tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho, ka hadio?» Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy tsara noho ny renirano rehetra amin’i Israely ve i Abanà sy i Farpara reniranon’i Damasy? Moa tsy azoko atao ve ny mandro ao amin’ireo mba hampahadio ahy? Dia nihodina i Nahamàna ka lasa tamim-pahatezerana.
Malagasy Bible 1865
Tsy tsara noho ny ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy tsara noho ny ranon’ny Israely rehetra va i Abana sy i Farpara, onin’i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
malagasy
Tsy tsara noho ny ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.