2 Kings 5:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niverina nankao amin’ny lehilahin’Andriamanitra izy mbamin’izay rehetra nanaraka azy ka nony tonga tao dia nitsangana teo anatrehany sady niteny hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra afa-tsy ato amin’ny Israely ihany. Koa miangavy anao aho, raiso ny saotra aterin’ny mpanomponao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’izay rehetra nomba azy. Ka nony tonga dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe: «Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra hafa-tsy eto amin’i Israely ihany! Koa ankehitriny dia aoka handray ny fanatitra avy amin’ny mpanomponao ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’ireo rehetra mpanaraka azy; ary niseho teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe: –Fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra eto ambonin’ny tany tontolo afa-tsy ato amin’i Israely ihany. Koa mba raiso ny fanomezana atolotro anao.
Malagasy Bible 1865
Ary niverina nankao amin'ny lehilahin'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra, afa-tsy ato amin'ny Isiraely ihany koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin'ny mpanomponao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niverina nankao amin’ny lehilahin’Andriamanitra izy mbamin’izay rehetra nanaraka azy ka nony tonga tao dia nitsangana teo anatrehany sady niteny hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra afa-tsy ato amin’ny Israely ihany. Koa miangavy anao aho, raiso ny saotra aterin’ny mpanomponao.
malagasy