2 Kings 5:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Namàna: Raha izany ary no izy, miangavy anao aho mpanomponao, mba homena tany zakan’ny ampondra roa, fa ny mpanomponao dia tsy mba hanolotra fanatitra dorana manontolo na fanatitra hafa intsony ho an’ny andriamanitra hafa, fa ho an’NY TOMPO ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Naamàna: «Rehefa tsy mety ianao, dia avelao kosa ny mpanomponao mba homena tany zakan’ny mole roa, satria tsy tian’ny mpanomponao intsony ny manatitra sorona dorana na sorona, amin’andriamani-kafa, afa-tsy amin’i Iaveh ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nilazany hoe: –Satria nolavinao ny fanomezako, dia avelao aho mba hitondra tany kely zakan’ny boriky roa avy amin’ny taninao; fa izaho tsy mba hanolotra intsony sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana amin’ny andriamani-kafa afa-tsy amin’ny TOMPO ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Namana: Masìna ianao, moa tsy homena tany zakan'ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an'ny andriamani-kafa, fa ho an'i Jehovah ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Namàna: Raha izany ary no izy, miangavy anao aho mpanomponao, mba homena tany zakan’ny ampondra roa, fa ny mpanomponao dia tsy mba hanolotra fanatitra dorana manontolo na fanatitra hafa intsony ho an’ny andriamanitra hafa, fa ho an’NY TOMPO ihany.
malagasy