2 Kings 5:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa aoka havelan’NY TOMPO ny heloky ny mpanomponao ny amin’izao zavatra izao: Rehefa miditra ao amin’ny tempolin’i Rimona hiankohoka ao ny tompoko, ary mitehina amin’ny tanako, ka mba miankohoka ao amin’ny tempolin’i Rimona aho, NY TOMPO anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin’izany zavatra izany raha miankohoka ao aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa aoka havelan’i Iaveh ny mpanomponao amin’izao ihany: raha miditra ao an-tranon-dRemôna ny tompoko mba hivavaka ao sy mitehina amin’ny tanako izy, dia mba miankohoka ao amin’ny tranon-dRemôna koa aho; i Iaveh anie hamela ny mpanomponao amin’izany hiankohofako ao amin’ny tranon-dRemôna izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy mangata-pamelana mialoha amin’ny TOMPO aho momba izao zavatra izao: Raha miditra mba hivavaka ao amin’ny tempolin’i Rimôna andriamaniny ny tompoko mpanjakan’i Siria, dia tsy maintsy hiankohoka hitehi-tany miaraka aminy koa aho satria mitehina amin’ny tanako izy. Ny TOMPO anie hamela heloka ahy amin’izany fihetsiko izany!
Malagasy Bible 1865
Nefa ny amin'izao zavatra izao dia aoka havelan'i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin'ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin'izany zavatra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa aoka havelan’NY TOMPO ny heloky ny mpanomponao ny amin’izao zavatra izao: Rehefa miditra ao amin’ny tempolin’i Rimona hiankohoka ao ny tompoko, ary mitehina amin’ny tanako, ka mba miankohoka ao amin’ny tempolin’i Rimona aho, NY TOMPO anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin’izany zavatra izany raha miankohoka ao aho!
malagasy