2 Kings 5:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nandeha nanafika ny Arameana dia nitondra zazavavy kely iray azony babo avy tany amin’ny tanin’ny Israely; nanompo ny vadin’i Namàna izy io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fahizay kosa nisy Sirianina nanao andiany ka nivoaka, ary nitondra zazavavy kely anankiray avy amin’ny tanin’i Israely, izay tonga mpanompon’ny vadin’i Naamàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy mpandroba sirianina nitsofoka an-keriny tany amin’ny tanin’i Israely ka nitondra zazavavikely iray ho babo, izay lasa mpanompon’ny vadin’i Nahamàna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely; ary nanompo ny vadin'i Namana io.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nandeha nanafika ny Arameana dia nitondra zazavavy kely iray azony babo avy tany amin’ny tanin’ny Israely; nanompo ny vadin’i Namàna izy io.
malagasy
Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely; ary nanompo ny vadin'i Namana io.