2 Kings 5:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa i Gehazy nanaraka an’i Namàna. Nony nahatazana azy avy mihazakazaka manaraka azy i Namàna dia niala haingana tamin’ny kalesy mba hitsena azy ka niteny hoe: Tsara ihany va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia rafitra nanaraka an’i Naamàna i Giezi. Vao nahatazana azy nihazakazaka nanaraka azy i Naamàna, dia nidina niala tamin’ny kalesiny hitsena azy, ka nanao hoe: «Tsara ihany daholo va?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa i Gehazỳ nanenjika an’i Nahamàna; ary nony nahita azy mihazakazaka manatona kosa i Nahamàna, dia niala faingana tamin’ny kalesiny hitsena azy ka nanao hoe: –Tsara ihany va ianao?
Malagasy Bible 1865
Ka dia lasa Gehazy nanaraka an'i Namàna Ary nony tazan'i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa i Gehazy nanaraka an’i Namàna. Nony nahatazana azy avy mihazakazaka manaraka azy i Namàna dia niala haingana tamin’ny kalesy mba hitsena azy ka niteny hoe: Tsara ihany va?
malagasy
Ka dia lasa Gehazy nanaraka an'i Namàna Ary nony tazan'i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?