2 Kings 5:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy: Tsara ihany. Fa naniraka ahy ny tompoko hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ny tany be havoana any Efraima; koa miangavy anao aho, mba omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Giezi; «Tsara daholo ihany. Nirahin’ny tompoko aho hilaza aminao hoe: Indro fa misy tovolahy roa lahy amin’ny zanaky ny mpaminany, vao tonga atỳ amiko avy any amin’ny tendrombohitr’i Efraima ka raha sitrakao, mba omeo talenta volafotsy iray sy fitafiana indroa miova kely ho azy ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny navaliny: –Tsara ihany aho; saingy nirahin’ny tompoko fotsiny aho hilaza aminao, fa misy zatovo roa lahy anisan’ny andia- mpaminany tonga ao aminy avy any amin’ny faritra havoan’i Efraîma. Koa miangavy anao izy mba hanome azy roa lahy volafotsy telopolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika roa.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin'ny tany havoan'i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy: Tsara ihany. Fa naniraka ahy ny tompoko hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ny tany be havoana any Efraima; koa miangavy anao aho, mba omeo talenta* volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
malagasy
Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin'ny tany havoan'i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.